Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-16

1 Ary nanatona azy ny Farisiana sy ny Sadoseana haka fanahy azy, ka nangataka taminy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.

2 Namaly izy ka nilaza taminy hoe: Nony hariva ny andro, dia hoy hianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra; 3 nony maraina indray: Ho ratsy ny andro, fa somary mena sy manjombona ny lanitra. 4 Koa hainareo ny maminany amin'ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana kosa tsy hainareo. Ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana hafa homena azy afa-tsy ny an'i Jonasa mpaminay ihany. Dia nilaozany teo ireo, ka lasa izy. 5 Fa nony efa tafita ny rano izy ireo, dia hadinon'ny mpianatra ny nitondra mofo.

6 Ary hoy Jesoa taminy: Tandremo fandrao azon'ny lalivain'ny Farisiana sy ny Sadoseana hianareo. 7 Dia nieritreritra izy ireo ka nanao anakampo hoe: Noho isika tsy nitondra mofo izay. 8 Ary hoy Jesoa nahalala izany ka nanao hoe: Ry kely finoana, nahoana hianareo no mihevitra anakampo, noho hianareo tsy nitondra mofo? 9 Moa tsy mbola fantatrareo ihany, sa tsy tsaroanareo fa mofo dimy dia ampy olona dimy arivo, ary mbola firy harona no nangoninareo? 10 Ary mofo fito dia ampy olona efatra arivo, sady mbola firy sobika koa no nangoninareo? 11 Ahoana no tsy ahalalanareo fa tsy ny mofo no nantsoiko tamin'izaho nilaza taminareo hoe: Tandremo ny lalivain'ny Farisiana sy ny Sadoseana? 12 Izay vao fantatr'izy ireo fa tsy ny lalivay amin'ny mofo no nasainy notandremana, fa ny fampianaran'ny Farisiana sy ny Sadoseana. 13 Ary nony tonga tany amin'ny faritany atao hoe: Sezarean'i Filipo Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?

14 Ary hoy ireo: Ny sasany manao hoe: Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin'ny mpaminany. 15 Dia hoy Jesoa taminy: Fa hianareo kosa, ataonareo ho iza aho? 16 Namaly Simona Piera ka nanao hoe: Hianao no Kristy zanak'Andriamanitra velona. 17 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. 18 Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. 19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra. 20 Ary tamin'izay, dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin'ny olona fa izy no Kristy. 21 Hatramin'izay vao noborahin'i Jesoa tamin'ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema izy, ary ho ampijalian'ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin'ny maty rahefa afaka hateloana.

22 Ary naka azy hitanila kely Piera ka niteny azy mafy hoe: Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany! 23 Fa nihodina izy ka nilaza tamin'i Piera hoe: Mialà amiko, ry Satana! manafintohina ahy ity hianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr'Andriamanitra, fa araka ny an'ny olona. 24 Ary tamin'izay Jesoa dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy.

25 Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. 26 Inona no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? 27 Fa ny Zanak'olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ny anjeliny, ka amin'izay dia hamaly ny olona araka ny nataony izy. 28 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1047