Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-16

24 Ary tamin'izay Jesoa dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy.

25 Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. 26 Inona no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? 27 Fa ny Zanak'olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ny anjeliny, ka amin'izay dia hamaly ny olona araka ny nataony izy. 28 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.144