Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 17, 14-20,

       <14Ary rahefa tonga teo amin'ny vahoaka izy, dia nisy lehilahy anankiray nanatona azy, ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: Tompo, mamindrà fo amin'ny zanako lahy; mararin'ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano. 15Nentiko tamin'ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo. 16Ary namaly Jesoa nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy. 17Dia norahonan'i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin'izay razazalahy. 18Tamin'izay, dia nanatona an'i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Nahoana no tsy naharoaka azy izahay? 19Noho ny tsy fahampian'ny finoanareo, hoy Jesoa taminy. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo, ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erý hianao, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo hatao. 20Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin'ny fivavahana sy amin'ny fifadian-kanina. >