Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-17

22 ary hovonoina izy, nefa hitsangana amin'ny andro fahatelo. Dia nalahelo mafy izy ireo. 23 Nony tonga tany Kafarnaoma izy ireo, dia nanatona an'i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?

24 Mandoa izy, hoy Piera. Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain'i Jesoa nilazany hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Iza moa no angalan'ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia? ny zanany sa ny olon-kafa? 25 Ny olon-kafa, hoy Piera taminy. Raha izany ary, hoy Jesoa, dia afaka ny zanany. 26 Kanefa sao mananfitohina azy isika, ka mandehana manjono any amin'ny ranomasina hianao, dia raiso ny hazandrano azonao voalohany, ka sokafy ny vavany, fa hahita vola dragma efatra ao hianao, ka alao, dia aloavy ho ahy sy ho anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1706