Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-19

3 Ary nisy Farisiana nanatona azy mba haka fanahy azy, ka nanao hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony? 4 Dia hoy izy namaly azy ireo: Tsy novakinareo va fa izay nahary ny olona tamin'ny voalohany dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: 5 Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin'ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa? 6 Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'ny olona. 7 Ka nahoana Moizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? 8 Dia hoy izy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanomezan'i Moizy lalàna anareo hisao-bady; fa hatramin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. 9 Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manam-bady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa. 10 Raha izany no toetran'ny lehilahy amin'ny vadiny, hoy ny mpianany taminy, dia aleo tsy manam-bady. 11 Ary hoy izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. 12 Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon'ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0808