Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-2

1 Ary rahefa teraka tao Betlehema any Jodea Jesoa tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema

2 nanao hoe: Aiza ilay Mpanjakan'ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankaty mba hitsaoka azy. 3 Raha nahare izany Heroda mpanjaka, dia taitra izy mbamin'i Jerosalema rehetra, 4 ka namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: Aiza no hahaterahan'ny Kristy? 5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany: 6 Ary hianao, ry Betlehema tanin'i Jodà, tsy hianao no kely indrindra amin'ny renivohitr'i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan'ilay Mpanjaka izay hifehy ny oloko. 7 Dia nalain'i Heroda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan'ny kintana taminy. 8 Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: Andeha ka fotopotory tsara ny amin'ilay Zaza; ary rahefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka azy. 9 Ary rahefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa. Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zaza. 10 Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, 11 ary rahefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny, ka niankohoka nitsoaka azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. 12 Ary rahefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin'i Heroda, dia làlan-kafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany. 13 Nony lasa izy ireo, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.

14 Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta. 15 Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba ho tanteraka ny tenin'ny Tompo voalazan'ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako. 16 Ary nony efa hitan'i Heroda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin'ny tany manodidina, hatramin'ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin'ny Majy. 17 Dia tanteraka tamin'izay ny tenin'i Jeremia mpaminany manao hoe: 18 Nisy feo re tao Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy: Rasely nitomany ny zanany, ka tsy azo nampiononina, fa tsy eo intsony ireny. 19 Ary rahefa maty Heroda, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Ejipta tamin'ny nofy

20 ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ento ny Zazakely sy ny reniny ka modia any amin'ny tanin'Israely, fa efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely. 21 Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny ka tonga tany amin'ny tanin'Israely. 22 Nony reny anefa fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan'Andriamanitra tamin'ny nofy. 23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba ho tanteraka ilay tenin'ny mpaminany hoe: Fa hatao hoe Nazareta izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1042