Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-20

1 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.

2 Ary rahefa nifanaiky tamin'ny mpiasa izy fa denie iray avy isan'andro ny karamany, dia nasainy hankany amin'ny tanim-boalobony izy ireo. 3 Ary nivoaka izy tamin'ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonanà-poana teny an-kianja; 4 ka andeha koa hianareo, hoy izy taminy, mankany amin'ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antoniny. 5 Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin'ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. 6 Ary dia nivoaka koa izy tamin'ny ora faharaika ambin'ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana hianareo no midonanà-poana eto mandritra ny andro? 7 Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy: Andeha koa hianareo mankany amin'ny tanim-boaloboko. 8 Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny fananany: Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atý amin'ny farany, ka hatrany amin'ny voalohany.

9 Dia nanatona izay nilatsaka tamin'ny ora faharaika ambin'ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. 10 Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. 11 Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano 12 nanao hoe: Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovinao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro. 13 Dia izao no navalin'ny tompo ny anankiray tamin'izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? 14 Alao ny anao, dia mandehana, fa tiako ny manome an'ilay farany toraka ny anao koa. 15 Tsy mahazo manao izay tiako amin'izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho? 16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1384