Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-21

28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio.

29 Tsy handeha aho, hoy izy; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. 30 Dia nankeo amin'ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Handeha aho, tompoko, hoy io; kanefa tsy nandeha izy. 31 Iza moa amin'izy roa lahy no nanao ny sitra-pon'ny rainy? Ny lahimatoa, hoy ireo. Dia hoy Jesoa taminy: Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra; 32 fa tonga teo aminareo tamin'ny làlan'ny fahamarinana Jonasy, nefa hianareo tsy nino azy; fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no nino azy; ary hianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0958