Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-23

13 Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.

14 Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa ny fivavahanareo lavareny no entinareo mihinana ny fananan'ny mpitondratena; izany no vao mainka hahamafimafy kokoa ny fanamelohana anareo. 15 Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, noho hianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo hianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen'afo mihoatra indroa noho hianareo. 16 Loza ho anareo, ry mpitari-dàlana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianina amin'ny volamena izay ao amin'ny tempoly, dia voafehy izy.

17 Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena? 18 Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny otely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. 19 Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny otely izay mahamasina ny fanatitra? 20 Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny otely, dia mianiana aminy sy amin'izay rehetra eo amboniny; 21 izay rehetra mianiana amin'ny tempoly, dia mianiana aminy sy amin'ilay mitoetra ao anatiny; 22 ary izay mianiana amin'ny lanitra, dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, sy amin'izay mipetraka eo amboniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0585