Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-23

23 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin'ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.

24 Ry mpitari-dalàna jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! 25 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahononana. 26 Ry Farisiana jamba, diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1208