Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-23

27 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy hianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. 28 Toy izany koa, hianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason'ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. 29 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan'ny mpaminany hianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton'ny olo-marina 30 ka manao hoe: Raha izahay no mba tamin'ny andron'ny razanay, dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran'ny mpaminany izahay. 31 Koa amin'izany ny tenanareo ihany no mitsanga-ko vavolombelona fa zanak'izay namono ny mpaminany hianareo. 32 Fenoy àry ny famaran'ny razanareo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769