Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-25

1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.

2 Ny dimy tamin'izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; 3 ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika; 4 fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin'ny fitoeran-tsolika. 5 Ary noho ny fahelan'ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory. 6 Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: Inty tamy ny mpampakatra, mandehana mitsena azy hianareo. 7 Tamin'izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. 8 Ary hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay. 9 Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, hoy ny navalin'ny hendry azy; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo. 10 Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. 11 Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay. 12 Fa hoy ny navaliny azy: Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory hianareo. 13 Koa miambena hianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.268