Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-4

12 Ary nony ren'i Jesoa fa natao an-tranomaizina Joany, dia lasa izy nankany Galilea;

13 ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin'ny sisin-tanin'i Zabolona sy Neftalì ka nonina tao, 14 mba ho tanteraka ny teny nolazain'Izaia mpaminany hoe: 15 Ny tanin'i Zabolona sy ny tanin'i Neftalì, ny làlana ao amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordany, i Galilean'ny jentily: 16 ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava. 17 Hatramin'izay dia nanomboka nitory teny Jesoa ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 23 Ary Jesoa nitety an'i Galilea manontolo, nampianatra tao amin'ny sinagogan'ny olona, sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona.

24 Dia niely eran'i Siria manontolo ny lazany, ka nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon'ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin'ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny. 25 Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy Dekapaoly sy Jerosalema sy Jodea, ary avy tany an-dafin'i Jordany no nanaraka azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1109