Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-5

27 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mijangajanga.

28 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. 29 Koa raha ny masonao an-kavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo. 30 Ary raha ny tànanao an-kavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo. 31 Ary koa efa voalaza hoe: Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana. 32 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.044