Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-6

19 Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra;

20 fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. 21 Fa izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa. 22 Ny maso no jiron'ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; 23 fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin'ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0997