Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-7

15 Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian'ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;

16 ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na voanaviavy amin'ny hery? 17 Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. 18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. 19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: 20 ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1517