Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-8

1 Rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia narahin'ny vahoaka betsaka.

2 Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka azy ka nanao hoe: Tompo ô, raha mety hianao, dia mahay manadio ahy. 3 Ary Jesoa naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety aho, madiova hianao. Dia afaka niaraka tamin'izay ny habokany. 4 Ary hoy Jesoa taminy: Tandremo, aza milaza na amin'iza na amin'iza, fa mandehana miseho amin'ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian'i Moizy haterina mba ho vavolombelon'ny fahasitrananao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1319