Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-8

18 Nony hitan'i Jesoa ny hamaroan'ny olona nanodidina azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano izy.

19 Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao. 20 Ary hoy Jesoa taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. 21 Ary ny anankiray tamin'ny mpianany koa nilaza taminy hoe: Tompoko, avelao aho aloha handevina ny raiko; 22 fa hoy Jesoa taminy: Manaraha ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1091