Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-9

1 Ary niondrana tamin'ny sambo kely izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.

2 Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin'ny fandriany nentin'ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan'ireo Jesoa, dia hoy izy tamin'ilay malemy: Matokia, anaka, fa voavela ny helokao. 3 Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: Miteny ratsy an'Andriamanitra ilay io. 4 Fa Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: Nahoana hianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? 5 Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? 6 Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka, dia hoy izy tamin'ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. 7 Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. 8 Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an'Andriamanitra noho izy nanome ny olona fahefana toy izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1609