Bokin'i Mikea

Toko faha-2

1 Loza ho an'izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa tanterahany izany, raha tahiny mbola mety hoefain'ny tànany ihany.

2 Tsiriritiny ny saha, ka alainy, ny trano koa, ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin'ny tranony, ny tompo mbamin'ny lovany.

3 Ka izao no lazain'ny Tompo: Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity, ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo; ka tsy handeha miandranandrana intsony hianareo, fa ho andro ratsy izany.

4 Amin'izany andro izany, dia hanononan'ny olona ohabolana hianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran'ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an'ny mpiodina ny sahantsika?

5 Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina hahazoanao anjara lova eo amin'ny fiangonan'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1097