Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-11

29 Dia tonga tamin'i Jefte ny Fanahin'ny Tompo, ka nandeha namaky an'i Galaada sy Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà any Galaada dia nandroso hamely ny taranak'i Amona.

30 Nivoady tamin'ny Tompo Jefte, nanao hoe: 31 Raha atolotrao eo an-tànako ny taranak'i Amona, dia ho an'ny Tompo ary hatolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rahefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho. 32 Dia nandroso hamely ny taranak'i Amona Jefte, ary natolotry ny Tompo teo an-tànany ireny, 33 ka nasiany hatrany Aroera ka hatrany akaikikaikin'i Menita, nahazoany tanàna roapolo, sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo. Dia voaetry teo anoloan'ny zanak'Israely ny taranak'i Amona. 34 Niverina nankany an-tranony any Masfà Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.

35 Vao nahita azy Jefte dia nandriatra ny fitafiany, ka nanao hoe: Adray, anaka, mahaketraka ahy hianao ary anisan'izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin'ny Tompo aho, ka tsy afa-mifody intsony. 36 Dia hoy izy taminy: Dada ô, efa niloa-bava tamin'ny Tompo hianao, ka ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria efa novalian'ny Tompo ny nataon'ny taranak'i Amona fahavalonao taminao. 37 Ary hoy izy tamin-drainy: Ity no mba soa ataovy amiko: Avelao malalaka aho, mandritra ny roa volana: dia handeha hidina ho any amin'ny tendrombohitra, ary hitomany ny fahavirjiniako miaraka amin'ireo namako. 38 Hoy ny navaliny azy: Ndeha àry. Dia navelany handeha roa volana izy. Ka nandeha niaraka tamin'ny namany, nitomany ny fahavirjiniany tany amin'ny tendrombohitra izy. 39 Nony tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka nontanterahiny taminy ny voady efa nataony, ary mbola tsy nahalala lahy izy. Izany no nihavian'izao fanao amin'Israely izao: isan-taona ny zazavavy Israelita dia mandeha mankalaza ny zanakavavin'i Jefte, ilay Galaadita, mandritra ny hefarana isan-taona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0892