Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-13

2 Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manoe, fianakavian'ny Danita, avy amin'ny Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka.

3 Niseho tamin-dravehivavy ny anjelin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: Momba hianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa hianao, ka hitera-dahy. 4 Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto, 5 fa hanana anaka hianao, ka hitera-dahy. Tsy hokasihin-kareza ny lohany, fa io zaza io ho nazarean'Andriamanitra hatrany am-bohoka; ary izy no hanomboka hanafaka an'Israely amin'ny tànan'ny Filistina. 6 Dia nandeha nilaza tamin'ny lahy ravehivavy nanao hoe: Nisy olon'Andriamanitra tonga taty amiko; tahaka ny anjelin'Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay nihaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;

7 fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka hianao, ka hitera-dahy; koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto, fa ho nazarean'Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny. 24 Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsona no anarany. Dia nitombo ny zaza, sady notahin'ny Tompo.

25 Dia nanomboka nitaona azy ho any Makaneha-Dana anelanelan'i Saraà sy Estaola ny fanahin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1142