Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-6

11 Ary tonga ny anjelin'ny Tompo ka nipetraka teo ambanin'ny terebinta tao Efrà, izay an'i Joasy, fianakavian'i Abiesera. Nively vary teo amin'ny fitoerana famiazam-boaloboka Jedeona zanany tamin'izay, mba hapetrany amin'izay tsy hahitan'i Madiana azy.

12 Niseho taminy ny anjelin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: Momba anao Iaveh, ry lehilahy mahery. Fa hoy Jedeona taminy: 13 Indrisy Tompoko, raha momba anay Iaveh, ahoana no dia ianjeran'izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain'ny razanay aminay ataony hoe: Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va Iaveh? Fa efa nafoin'ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tànan'i Madiana. 14 Dia nitodika azy Iaveh ka nanao hoe: Mandehana amin'izao hery anananao izao, ka afaho amin'ny tànan'i Madiana Israely; tsy efa nirahiko va hianao? 15 Ary hoy Jedeona taminy: Indrisy, Tompo ô! Amin'ny inona no hanafahako an'Israely? Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin'i Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'i dada. 16 Fa Iaveh nanao taminy hoe: Homba anao aho, ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiana. 17 Hoy Jedeona taminy: Raha nahita fitia teo imasonao aho, mba omeo famantarana fa hianao no miteny amiko. 18 Aza dia miala eto hianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao. Dia hoy Iaveh: hiandry mandra-piverinao aho. 19 Nony niditra Jedeona dia namboatra zanak'osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin'ny lafarina iray efah, ka rahefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin'izay teo ambanin'ny terebinta ka natolony.

20 Hoy ny anjelin'ny Tompo taminy: Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity, sy rotsahy ny ro. Dia nataony izany. 21 Ary naroson'ny anjelin'ny Tompo ny lohan'ny tehina teny an-tànany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin'izany tamin'ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan'ny masony ny anjelin'ny Tompo. 22 Dia fantatr'i Jedeona fa anjelin'ny Tompo iny ka hoy Jedeona: Maty aho, ry Iaveh Tompo ô, fa nahita nifanatri-tava tamin'ny anjelin'ny Tompo. 23 Hoy Iaveh taminy: Tomoera amim-piadanana, aza matahotra, fa tsy ho faty hianao. 24 Nanorina otely teo Jedeona ho an'ny Tompo ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efran'i Abiesera izany mandrak'androany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1284