Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-9

6 Tamin'izay dia nivory ny mponina rehetra ao Sikema mbamin'ny ankohonan'i Melao rehetra, ka tonga izy ary nampanjaka an'i Abimeleka, teo anilan'ny terebintan'ny tsangam-bato any Sikema. 7 Nony nilazana izany Joatama, dia lasa nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Garizima, ka nanandratra ny feony, nanao hoe: Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihenoan'Andriamanitra anareo koa.

8 Niainga, hono, ny hazo, hanosotra mpanjaka handidy azy; ka hoy izy tamin'ny oliva: Manjakà aminay hianao. 9 Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay mahalaza ahy eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina ery ambonin'ny hazo hafa? 10 Dia ny aviavy indray no nataon'ny hazo hoe: Avia, hianao hanjaka aminay. 11 Fa hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto, ka handeha hihevingevina ery ambony hazo hafa? 12 Dia ny voaloboka indray no nilazan'ny hazo hoe: Avia hianao hanjaka aminay. 13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an'Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina ery ambonin'ny hazo hafa? 14 Tamin'izay dia hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilo milobolobo: Avia hianao hanjaka aminay. 15 Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha marina tokoa àry fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka dia avia hianareo, ka mialofa amin'ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan'i Libàna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819