Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Ohabolana

Ohabolana toko 30, 5-9

       <5Voazaha toetra tamin'ny afo avokoa ny tenin'Andriamanitra;
ampinga ho an'izay mialoka aminy izy.
       6Aza manampy na inona na inona amin'ny teniny;
sao anariny hianao, ka ho hita fa mpandainga.
       7Zavatra roa no angatahiko aminao,
ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho:
       8Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga;
aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena.
Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:
       9fandrao voky aho dia manda anao,
ka hanao hoe: Iza moa Iaveh?
ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra,
ka hanamavo ny anaran'Andriamanitra. >