Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Osea

Osea toko 11, 1-4,8c-9,
Tsy nahalala ny fitiavan'Andriamanitra azy hatramin'ny fahazazany Israely, ka izany no namaizana azy: hamindra fo aminy anefa Andriamanitra, ka hamonjy azy.

       1Tia an'Israely aho fony mbola zaza izy;
ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.
       2Nisy fiantsoana nataoko tamin'izy ireo; nefa izy niamboho.
Nanolotra sorona amin'ny Baala izy,
sy emboka ho an'ny sampy.
       3Ary izaho nampiana-mandeha an'i Efraima,
sy nitantana azy tamin'ny sandriny,
nefa tsy fantany fa nanolikoly azy aho.
       4Nentiko tamin'ny kofehy fitondrana olona izy ireo,
dia tamin'ny fatoran'ny fitiavana;
mova aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy,
eo ambonin'ny valanoranony,
ary niondrika taminy sy nampihinana azy.
       8Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima,
na fanolotra anao, ry Israely?
Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an'i Adama,
na fampanjary anao ho tahaka an'i Seboima?
Onena ny foko ato anatiko,
ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
       9Tsy hanarana ny firehetan'ny hatezerako aho,
tsy horavako fanindroany Efraima.
Fa Andriamanitra aho, fa tsy olombelona;
eo afovoanao ilay Masina,
ka tsy ho tonga aho mitondra ny fisafoahako. >