Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-11

1 Koa hoy izaho: Moa dia narian'Andriamanitra va ny olony? Sanatria izany! Fa izaho koa dia Israelita, taranak'i Abrahama, sy fokon'i Benjamina,

2 ka tsy narian'Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Tsy fantatrareo va ilay itantaran'ny Soratra Masina ny fitarainan'i Elia tamin'Andriamanitra namely an'Israely hoe: 11 Ka hoy izaho: Moa dia tafintohina, ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo? Sanatria izany! Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an'ny jentily, mba hahavelom-pialonana an'Israely.

12 Koa raha ny fahalavoany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no zary haren'ny jentily, hanao ahoana re ny hafenoany? 25 Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry, dia tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, izao zava-miafina izao: hilatsaka amin'ny hajambana ny sasany amin'Israely, mandra-piditry ny hafenoan'ny jentily.

26 Ary amin'izany dia ho voavonjy avokoa Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy ao Siona ny Mpanafaka, ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin'i Jakoba, 27 dia ho tanteraka amin'izany ny fanekena nataoko tamin'izy ireo, rahefa voaesotra ny fahotany. 28 Raha amin'ny Evanjely, dia mbola fahavalo izy noho hianareo; fa raha amin'ny fifidianana kosa, dia malala izy noho ny razany; 29 satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0636