Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-14

7 Fa tsy misy velona ho azy isika rehetra, na misy maty ho azy; 8 fa velona isika, velona ho an'ny Tompo; maty koa, maty ho an'ny Tompo. Koa amin'izany, na velona na maty isika, dia ho an'ny Tompo ihany. 9 Satria ny Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha-Tompon'ny maty sy ny velona azy. 10 Ka ahoana àry ity hianao no mitsara ny rahalahinao; ahoana ary izato hianao no dia maneso ny rahalahinao? Nefa samy hiseho eo amin'ny fitsaran'Andriamanitra ihany isika rehetra, 11 araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra. 12 Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0658