Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Toko faha-15
14 Izaho aloha, ry rahalahy, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra hianareo, sady mahay mifananatra koa.15 Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho, toy ny mampahatsiaro anareo indray, noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy 16 mba ho mpandraharahan'ny Kristy Jesoa amin'ny jentily aho, amin'ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin'Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily, rahefa nohamasinin'ny Fanahy Masina. 17 Koa mba manana rehareha ao amin'i Kristy Jesoa ihany aho, raha ny momba ny fanompoana an'Andriamanitra.
18 Satria tsy ho sahiko lazaina raha zavatra tsy nampanaovin'ny Kristy ahy, mba hampanaiky ny jentily, na tamin'ny teny aman'asa, 19 na tamin'ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin'ny Fanahy Masina; any ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin'ny Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Hiria; 20 sady nalaiko ho voninahitra ho ahy ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin'izay mbola tsy nanononana ny Kristy, mba tsy hanorina amin'izay efa nanoeran'ny sasany, 21 fa ho araka ny voasoratra hoe: Ireo tsy nilazana azy dia hahita; ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala.
