Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-5

12 Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran'ny fahotana tamin'izao tontolo izao tamin'ny olona iray, sy nidiran'ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin'ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:

15 Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahafatesan'ny anankiray aza nahafatesan'ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesoa-Kristy, no nandraisan'ny olona rehetra an-kabetsahana ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana.

17 Satria raha ny fahadisoan'ny anankiray aza nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'io anankiray io, mainka fa ny nataon'ny anankiray, dia Jesoa-Kristy, no hanjakan'izay mahazo ny haben'ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin'ny fiainana. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an'ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray.

19 Fa tahaka ny nahatongavan'ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken'ny olona iray no hahatongavan'ny maro ho marina kosa noho ny naneken'ny olona iray. 20 Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin'izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran'ny fahasoavana ho ambony lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan'ny fahotana hahafaty no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0822