Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-6

12 Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin'ny tenanareo mety maty amin'ny fanarahana ny filan-dratsiny;

13 ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an'ny fahotana nataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an'Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana. 14 Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria hianareo tsy ambanin'ny Lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana. 15 Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin'ny Lalàna, fa ao ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!

16 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon'izay ekenareo hianareo, na ny fahotana ho amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin'ny fahamarinana? 17 Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie hianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo; 18 ary rahefa afaka tamin'ny fahotana hianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1641