Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-6

19 Miteny araka ny fanaon'ny olona aho, noho ny fahalemen'ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. 20 Fa fony mpanompon'ny ota hianareo, dia olon-ko azy tamin'ny fahamarinana. 21 Inona àry no vokatra azonareo tamin'izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany. 22 Ary ankehitriny kosa, rahefa afaka tamin'ny fahotana hianareo, ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo. 23 Fa ny fahafatesana no tambin'ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1529