Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-8

31 Inona àry no holazaintsika ny amin'izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32 Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy? 33 Iza no hiampanga an'izay voafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy 34 ka zovy no hanameloka? Moa ny Kristy va, ilay efa maty, fa nitsangana tamin'ny maty, sy mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869