Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-8

1 Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an'izay ao amin'ny Kristy Jesoa, sady mandeha ara-nofo,

2 fa ny lalàn'ny Fanahin'aina no nanafaka ahy tamin'ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin'ny alalan'ny Kristy Jesoa. 3 Satria izay tsy vitan'ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon'ny nofo, dia vitan'Andriamanitra tamin'ny nanirahany ny Zanany tao amin'ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka fahotana tao amin'ny nofony, 4 mba ho tanteraka ny fahamarinan'ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo, fa ara-panahy. 5 Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. 6 Ny fitiavan'ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan'ny fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana. 7 Satria ny fitiavan'ny nofo dia mifandrafy amin'Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy aza izany. 8 Koa izay ao amin'ny nofo dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra. 9 Fa hianareo dia tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'ny Kristy, dia tsy azy izy; 10 fa raha ao anatinareo ny Kristy; na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesoa tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an'i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1717