Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-8

31 Inona àry no holazaintsika ny amin'izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32 Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy? 33 Iza no hiampanga an'izay voafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy 34 ka zovy no hanameloka? Moa ny Kristy va, ilay efa maty, fa nitsangana tamin'ny maty, sy mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika? 35 Koa iza àry no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'ny Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?

36 Araka ny voasoratra hoe: Hianao no amonoana anay isan'andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay. 37 Amin'izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin'ny alalan'ilay tia antsika. 38 Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, 39 na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0951