Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 104, 1-2a,5-6,10,12,24,35c,
Hira ho an'ny Mpahary.

       1Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko!
Iaveh Andriamanitra ô, lehibe tsy manampetra hianao!
Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana hianao!
       2Mihodidina amin'ny fahazavana toy ny amin'ny lamba izy,
mamelatra ny lanitra toy ny lay.
       5Manorina ny tany eo amin'ny fanorenany izy,
ka tsy mihetsiketsika mandrakizay io.
       6Nahodidinao azy, toy ny lamba, ny rano lalina,
ka saron'ny rano ny tendrombohitra.
       10Mandefa loharano amin'ny lohasaha izy
dia mandeha eny anelanelan'ny tendrombohitra ireny;
       12Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina;
sady mampanakoako ny feony, eny amin'ny ravinkazo izy ireo.
       24Akory ity hamaroan'ny asanao, ry Iaveh:
nataonao tamim-pahendrena izy rehetra.
Henika ny harenao ny tany.
       35Ho fongotra eto an-tany anie ny mpanota,
ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy!

Misaora an'ny Tompo, ry fanahiko. Alleloia! >