Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 105, 2-3,36-37,42-43,

       <2Mihirà ho azy, mankalazà azy!
Torio ny fahagagana rehetra ataony.
       3Mireharehà amin'ny anarany masina;
hiravoravo anie ny fon'izay mitady an'ny Tompo.
       36Namono ny lahimatoa rehetra teo amin'ny taniny izy,
dia ny voalohan'ainy rehetra.
       37Dia nentiny nivoaka ny vahoakany nitondra volafotsy sy volamena,
ary tsy nisy nangozohozo tamin'ireo fokony, na dia iray aza.
       42Fa tsaroany ny teniny masina,
sy Abrahama mpanompony.
       43Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany;
ary tamin'ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny. >