Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 105, 2-3,4-5,6-7,

       <2Mihirà ho azy, mankalazà azy!
Torio ny fahagagana rehetra ataony.
       3Mireharehà amin'ny anarany masina;
hiravoravo anie ny fon'izay mitady an'ny Tompo.
       4Mitadiava an'ny Tompo sy ny heriny,
aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
       5Tsarovy ny asa mahagaga nataony,
ny fahagagana amam-pitsarana navoaky ny vavany,
       6ry taranak'i Abrahama mpanompony,
tamingan'i Jakoba olom-boafidiny.
       7Izy Iaveh Andriamanitsika;
mihatra amin'ny tany rehetra ny fitsarany. >