Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 111, 1-2,4-5,9,10c,
Ny soa nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoakany. Aleloia!

       1ALEPH
Sitrako ny midera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra,
BETH
eo amin'ny fivorian'ny olo-marina sy ao amin'ny fiangonana.
       2GHIMEL
Lehibe ny asan'ny Tompo;
DALETH
katsahin'ny olona izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy.
       4ZAIN
Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony izy;
HETH
mamindra fo sy miantra Iaveh.
       5TETH
Nomeny hanina izay matahotra azy;
YOD
tsaroany mandrakizay ny fanekeny.
       9PHE
Nanatitra ny famonjena ho an'ny vahoakany izy,
TSADE
ary nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.
QOPH
Masina sy mahatahotra ny anarany.
       10RESCH
Ny fahatahoran'ny Tompo no fiandohan'ny fahendrena,
SCHIN
manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny.
THAV
Maharitra mandrakizay ny fiderana azy. >