Ny Salamo

Toko faha-115

1 Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay, fa ny anaranao no omeo ny voninahitra, noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.

2 Ahoana no ilazan'ny firenena hoe: Aiza ary ny Andriamanitr'izy ireo?

3 Any an-danitra ny Andriamanitsika; izay tiany hatao, vitany avokoa.

4 Ny sampin'izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan'olombelona.

5 Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy,

6 manan-tsofina fa tsy mahare, manan'orona fa tsy manimbolo,

7 manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory.

8 Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin'izay rehetra mitody aminy!

9 Ry Israely รด, apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao! Izy no vonjiny sy ampingan'izy ireo.

10 Ry taranak'i Aarona, apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao! Izy no vonjiny sy ampingan'izy ireo.

11 Hianareo matahotra an'ny Tompo, apetraho amin'ny Tompo ny fitokianareo! Izy no vonjiny sy ampingan'izy ireo.

12 Efa nahatsiaro antsika Iaveh, ka hitahy! Hitahy ny taranak'Israely izy, hitahy ny taranak'i Aarona izy,

13 hitahy izay matahotra an'ny Tompo izy, na ny kely, na ny lehibe.

14 Hampitomboin'ny Tompo anie ny fanambinany anareo, dia hianareo sy ny zanakareo!

15 Hitahy anareo anie Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany!

16 Ny lanitra dia lanitry ny Tompo, fa ny tany kosa nomeny ny zanak'olombelona.

17 Tsy ny maty no midera an'ny Tompo dia ireo midina ho any amin'ny toerana fahanginana,

18 fa isika, dia isika no hisaotra an'ny Tompo hatramin'izao ka ho mandrakizay. Aleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0963