Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 116, 12-13,14-15,16-17,

       <12Inona no havaliko an'ny Tompo,
noho ny soa rehetra nataony tamiko?
       13Hanainga ny kopin'ny famonjena aho,
ka hiantso ny anaran'ny Tompo.
       14Hanefa ny voadiko tamin'ny Tompo aho,
eo anatrehan'ny vahoakany rehetra.
       15Zava-tsarobidy eo imason'ny Tompo
ny fahafatesan'ny mpino azy.
       16- Endrey! ry Iaveh รด, satria mpanomponao aho;
mpanomponao, zanaky ny ankizivavinao,
ka dia novahanao ny fatorako.
       17Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho,
ary hiantso ny anaran'ny Tompo. >