Ny Salamo

Toko faha-119

12 Isaorana anie hianao, ry Iaveh! Ampianaro ny didinao aho.

16 Ataoko fifaliana ho ahy ny làlanao; tsy hohadinoiko mandrakizay ny teninao.

18 Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.

27 Ampahafantaro ahy ny làlan'ny didinao, dia hisaintsaina ny fahagagana ataonao aho.

34 Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin'ny foko rehetra.

35 Tariho aho amin'ny làlan'ny didinao, fa ao no hahitako fahasambarana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0356