Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 23-24,26-27,29-30,

       <23Na dia mipetraka aza ny mpanapaka sy miteny mamely ahy,
mbola hisaintsaina ny lalànao ihany ny mpanomponao.
       24Eny, ny fampianaranao no fahafinaretako,
izy no olona mpanolo-tsaina ahy.
       26Naposako anao ny làlako, dia hoy ny navalinao ahy:
Ampianaro ny lalànao aho.
       27Ampahafantaro ahy ny làlan'ny didinao,
dia hisaintsaina ny fahagagana ataonao aho.
       29Halaviro ny làlan'ny lainga aho,
fa omeo ahy ny soa ao amin'ny lalànao.
       30Nifidy ny làlan'ny fahamarinana aho,
ataoko eo imasoko ny didinao. >