Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 41,43,44,45,47,48,

       <41VAV
Ho tonga amiko anie ny famindram-ponao, ry Iaveh ô,
sy ny famonjenao araka ny teninao!
       43Aza esorina amin'ny vavako, tsy hisy intsony, ny tenim-pahamarinana,
fa ny didinao no antenaiko.
       44Sitrako tsy tapaka ny mitandrina ny didinao;
mandrakariva sy mandrakizay.
       45handeha amin'ny malalaka aho,
fa ny didinao no katsahiko.
       47Ny didinao no hataoko fahafinaretako,
fa tiako izy.
       48Hanandratra ny tànako amin'ny didinao, izay tiako, aho,
ary hisaintsaina ny lalànao. >