Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 53,61,134,150,155,158,

       <53Azon'ny hatezerana aho noho ny amin'ny ratsy fanahy,
izay mahafoy ny lalànao.
       61Manodidina ahy ny fandriky ny ratsy fanahy,
fa tsy manadino ny lalànao aho.
       134Afaho amin'ny fampahorian'ny olombelona aho,
dia hitandrina ny didinao.
       150Efa mby akaiky ireo mpanaraka ny ratsy,
izay nihataka tamin'ny lalànao.
       155Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena,
satria tsy asiany raharaha ny lalànao.
       158Tsiravina aho, mahita ny mpivadika,
satria tsy mba mitandrina ny teninao ireny. >