Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 119, 67,68,71,72,75,76,

       <67Naniasia aho, fony mbola tsy naetry,
fa mitandrina ny teninao aho ankehitriny.
       68Tsara fo sy manao soa hianao,
Ampianaro ny lalànao aho.
       71Soa ho ahy ny naetry
mba hianarako ny didinao.
       72Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy;
mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.
       75Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsaranao;
tamin'ny fahamarinanao no nanetrenao ahy.
       76Ny hatsaram-ponao anie no ho fiononako,
araka ny teny nomena ny mpanomponao. >