Ny Salamo
Salamo toko 135. 1-2,3-4,5-6
Fiderana an'Andriamanitra - Ny asany mahagaga - Ny fiamboniany amin'ny sampy.
1 Aleloia!
- Miderà ny anaran'Iaveh,
miderà azy hianareo mpanompon'Iaveh,
2 hianareo manao fanompoana ao an-tranon'Iaveh,
eo an-kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
3 Miderà an'Iaveh fa tsara Iaveh,
mihirà ny anarany amin'ny harpa, fa mamy tanteraka.
4 Fa Iaveh efa nifidy an'i Jakoba ho azy,
sy an'Israely ho lovany.
5 Eny, fantatro, lehibe Iaveh,
ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
6 Manao izay tiany rehetra Iaveh,
eny an-danitra sy ety ambonin'ny tany,
any an-dranomasina sy any amin'ny hantsana rehetra.