Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 136, 1,23-24,10-12,13-15,
Litania fankalazana ny Mpahary sy Mpanao soa an'Israely.

       1Manomeza voninahitra an'ny Tompo, fa tsara izy,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       10Izay namely ny Ejipsiana tamin'ny voalohan-terany,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       11Nitondra an'Israely hivoaka avy teo aminy,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       12Tamin'ny t├ánana mahery sy tamin'ny sandry nahinjitra,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       13Izay nampisaraka roa ny ranomasina Mena,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       14Dia nitondra an'Israely namaky teo afovoany,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       15Ary namarina an'i Faraona sy ny tafiny tao amin'ny ranomasina Mena,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       23Izay nahatsiaro antsika, nony voaetry isika,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       24Ka nanafaka antsika tamin'ny mpampahory antsika,
fa mandrakizay ny famindram-pony. >