Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 136, 1-3,16-18,21-22,24,
Litania fankalazana ny Mpahary sy Mpanao soa an'Israely.

       1Manomeza voninahitra an'ny Tompo, fa tsara izy,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       2Manomeza voninahitra an'Andriamanitry ny andriamanitra,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       3Manomeza voninahitra ny Tompon'ny tompo,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       16Izay nitondra ny vahoakany tany an'efitra,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       17Izay namely mpanjaka lehibe,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       18Ary nahafaty mpanjaka mahery,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       21Izay nanome ny tanin'ireny, ho lova,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       22Dia ho lovan'Israely mpanompony,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
       24Ka nanafaka antsika tamin'ny mpampahory antsika,
fa mandrakizay ny famindram-pony. >