Ny Salamo

Salamo toko 139. 1-2,3b,13-14ab,23-24
Fankalazana ny fahalalan'Andriamanitra tsy misy fetra - Nahoana no fantatr'Andriamanitra, nefa avelany haharitra ihany ny tsy marina?

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida.
Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy hianao:
       2 fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako;
tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
       3 Hianao mitsirika ahy na mandeha na mandry,
ary mahazatra anao ny làlako rehetra.
       13 Hianao no namorona ny voako,
sy nanenona ahy tao an-kibon'ineny.
       14 Midera anao aho, amin'ny nanaovanao ahy ho zava-boahary mahagaga loatra:
mahagaga ny asanao,
ary mamin'ny fanahiko ny mieky izany.
       23 Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko;
tsapao aho, ka fantaro ny hevitro!
       24 Jereo raha eo amin'ny làlan-dratsy aho,
dia tariho eo amin'ny làlana mandrakizay.